Sport

Fifidianana filohan’ny federasionin’ny Rugby Kandida tokana no namaly ny antso


  • Talata 09 Mey 2023

Tafapetraka eo anivon'ny minisiteran'ny tanora sy fanatanjahantena omaly 8 mey 2023 ny fitanana an-tsoratra ny filatsahan-kofidian'ny olona ho filohan'ny Malagasy Rugby.

Izany no natao dia noho ny fanajana ny rafitra misy eto amin'ny firenena satria ny io minisitera io no miahy ny fanatanjahantena, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ampatsiahivina fa ny fifidianana dia ho tanterahina ny sabotsy 20 may 2023 ho avy izao eto Antananarivo, hoy ny voalaza. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny kaomisionina mikarakara fifidianana izay nandray ny asany tao aorian’ny fankatoavana azy ireo araka ny andininy faha 40 ao amin’ny sata mifehy ny Malagasy Rugby ny 18 aprily 2023, teo anivon’ny fivoriambe notronin’ny minisitera misahana ny fanatanjahantena, dia kandida tokana ihany no namaly ny antso filatsahan-kofidiana ho filohan’ny federasionin’ny taranja lavalava na ny Malagasy Rugby dia ny kandida Sambotody Jean Dorien. Tsiahivina fa ny 20 aprily ka hatramin’ny 4 may lasa teo no fetr’andro nahafahana nametraka ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ary ny 5 may no nalefa ny taratasy fiantsoana mpifidy, araka ny voafaritry ny lalana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT