Sport

Fifidianana filohan’ny CAF Tsy ho kandida intsony i Ahmad


  • Talata 09 Martsa 2021

Nilatsaka omaly ny didin’ny Tribonaly misahana ny fifanolanana ara-panatanjahantena na ny TAS

 

 

 (Tribunal Arbitral du Sport) momba ny raharaha Ahmad, Filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina misahana ny baolina kitra. Raha hiverenana dia nosazian’ny FIFA tsy ho afaka hikitika sy hisehatra amin’ny tontolon’ny baolina kitra mandritra ny 5 taona miampy onitra 200 000Francs Suisse (185 000 Euros) izy, araka ny didy nivoaka ny 23 novambra 2020. Nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny TAS I Ahmad, ka ny 29 janoary no nilatsaka ny didy vonjimaika nampiato ny sazy. Omaly kosa ny didy raikitra, ka voatazona ny sazy ho an’i Ahmad saingy nahena ho 2 taona tsy afaka mikitika ny baolina kitra sy mandoa lamandy 5000 Francs Suisse (45 000 Euros) Suisse fa tsy 200 000 Francs intsony. Tondroina ho nandika ny andininy faha-20 sy faha-28 amin’ny CDE (Code d’Éthique) momba ny tsy fandraketana ny famoaham-bola saihafa, fanekena fandoavam-bola vola mivaingana, famindram-bola amina “bonus” sy “indemnities” tsy misy fototra ara-pifanarahana mazava sy ara-pitsipika, nizara fanomezana, nanodikodim-bola,… Afaka kosa izy tamin’ny fanenjehana momba ny fifanarahana tamin’ny orinasa mpanamboatra fitaovana ara-panatanjahantena Tactical Steel. Mialohan’ny fifidianana sy ny fanambarana nataona federasionina 40 fa hanohana an’i Ahmad no nanapoahana ity raharaha ity.

TSY KANDIDA INTSONY

Tsy afaka ny hifaninana amin’ny Fifidianana Filohan’ny CAF hatao ny 12 martsa izao mazava ho azy i Ahmad. Ity fifidianana ity, izay efa nisy ny fifanarahana teo amin’ireo kandida 4 ka niala an-daharana ny 3, ary hanohana an’ilay Mpanefoefo Afrikanina Tatsimo Patrice Motsepe. Samy homena toerana ireo kandida, ka ny FIFA no atidoha tamin’ity kajikajy ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT