Sport

Fifidianana filohan’ny CAF Mbola tsara toerana hatrany i Ahmad


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Miroso mankany amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasionina afrikanin’ny baolina kitra vaovao ireo mpitondra federasionina aty amin’ny firenena Afrikanina .

 

raha ny vaovao farany dia ny 12 Novambra hoavy izao no fandraisana farany ny antotan-taratasy firotsahan-kofodiana ho an’ireo maniry hilatsaka. Raha ny fahitana ny zava-misy sy ny tombatombana ataon’ireo mpitia kitra Afrikianina anefa dia mety ho tafaverina amin’ny toerany ny filohan’ny CAF ankehitriny, Ahmad Ahmad satria mpifidy afrikianina miisa 46 amin’ny 54 hatreto no efa mangataka ny firotsahany indray. Efa nisy mihitsy ny fanambaran’ireo filohana federasionina sasany toy ny tany Maroc izao nandritra ny lalao famararan’ny amboaran’ny CAF farany teo dia nilaza fa raha mbola maniry ny hirotsaka ny filohan’ny CAF ankehitriny dia hanohana azy ny federasionina Maraokanina. Hita ho mizotra any amin’ny fahalanian’I Ahmad Ahmad fanindroany, araka izany, ny raharaha.

J. Mirija 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT