Fifidianana Filohan’ny CAF anio

Sarintsariny sisa, mitohy ny dian’i Motsepe


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Dr Patrice Motsepe ihany no ho filohan’ny Kaofederasionina Afrikanina mikasika ny baolina kitra na ny CAF.

Tsy misy mpifaninana fa dia hanohy am-pitoniana ny asany amin’ny maha filohan’ny CAF azy ity mpitantana am-perin’asa izay hofidiana androany 12 martsa ity. Tsy hisy endrika fifidianana akory madritra ity andro fahatelo amin’ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny CAF ity fa tonga dia hotsenain’ireo mpikambana amin’ny alalan’ny tehaka mirefodrefotra izy amin’ny maha kandida tokana azy. Teratany afrikana tatsimo izy, ary mpanefoefo ao amin’ity firenena ity, tombanana ho 2,7 miliara dolara ny fananany. Izy no tompon’ny klioba Mamelody Sundowns. Zaodahin'ny filoha Afrikana tatsimo Cyrille Ramaphosa ihany koa moa ity farany. Ankoatra izay, isan’ny hofidiana androany ihany koa ny eo anivon’ny komity mpanatanteraky ny CAF ka isan'ny kandida amin’izany i Samuel Eto'o izay efa filohan’ny federation’ny Baolina kitra ao Cameroun. Notsipahin'ny CAF anefa ny filatsahan-kofidiany noho izy nambara fa tafiditra tamin'ny raharaha maloto tamin'ny lalao nataon'ny ekipam-pirenen'i Cameroun. Nivoaka anefa ny didin'ny TAS « Tribunal Arbitral du Sport » nanadio azy. Dia izao izy azo fidiana androany izao indray, ary mety ho lasa filoha lefitry ny CAF mihitsy. Efa nanomboka ny 10 martsa teo moa no nihaona tao Le Caire ireo mpitantana baolina kitra Afrikana. Nandritra izany no nanaovana ny fihaonana teo amin’ireo fikamanam-paritra ao anatin’ny CAF ary narahana lalao ara-pirahalahiana teo amin’ireo mpikambana ao anatin’ny biraon’ny CAF sy ireo mpilalao kalaza tranainy Afrikana. Omaly 11 martsa kosa no nanatanterahana ny fivorian’ny COMEX na ny komity mpanatanteraka eo anatin’ny CAF izay nandinihana ny ho avin’ny Baolina kitra Afrikana.
Solotiana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT