Sport

Fifidianana filoha vaovaon’ny FMF Amin’ny volana septambra 2019


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Notontosaina teny amin'ny Hôtel Paon d'Or Ivato Antananarivo tamin’ny sabotsy 6 aprily tontolo andro teo ny AG « Assemblée Générale Extraordinaire » an'ny FMF « Fédération Malagasy de Foot-ball » tantanan’ny CN

 

 

 

 « Comité de Normalisation » vonjimaika ankehitriny natrehin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena  sy ny komity olimpika Malagasy hatramin’ny farany. Fehin-kevitra nifanarahana no nivoaka mba hahazoana manaraka an’ireo toromarika nomen’ny FIFA sy hampiharana ny filan’ny baolina kitra eto an-toerana. Tapaka fa nomen’ireo ligy 21 fahefana ny CNFMF hitantana ny famerenana ny fifidianana any amin’ny ligin’ny baolina kitra Bongolava sy any amin’ny seksion’ny baolina kitra Tsiroanomandidy hatramin’ny tapaky ny volana mey 2019 raha ela indrindra. Mbola nomen’ireto ligy mpanapa-kevitry ny fivoriambe ireto fahefana ihany koa ny CNFMF hanolotra volavolana sata vaovao na fanitsiana hifehy ny FMF  sy volavolan-dalàna vaovao ihany koa hifehy ny fifidianana rafitra baolina kitra Malagasy « code électoral » mba hifanaraka amin’ireo lalàna vaovao navoakan’ny FIFA sy CAF tamin’ny 2015 sy 2017. Nambaran-dRtoa Atallah Béatrice filohan’ny CNFMF teo am-pamaranana fa niaiky ny rehetra fa tsy ho vita alohan’ny 12 mey ny fifidianana izay ho filoha vaovaon’ny FMF. Heverina hotanterahina any amin’ny volana septambra 2019  izy io ka efa hampahafantariny ny FIFA izany.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT