Sport

Fifantenana Makis U20 Hanomboka ny 27 janoary ny fitsapana


  • Zoma 22 Janoary 2021

Nanao fiantsoana ireo zatovolahy teraka ny taona 2001, 2002, 2003 manam-

 

 

 

paniriana ny handrafitra ny ekipam-pierenena malagasin’ny rugby latsaky ny 20 taona na Makis U20 omaly ny avy eo anivon’ny Malagasy Rugby mba ho tonga eny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hisy ny fitsapana izay hanomboka ny 27 ary hifarana ny 29 Janoary 2021 izao manomboka amin'ny 8ora maraina. Fepetra ilaina amin'izany ho an’izay maniry hitana ny toeran’ny andry na “pilier” ny fananana halavana 1m70 sy lanja 100 kg. Ho an’ny “2è ligne” kosa dia refy 1m85 sy lanja 85kg, “3è ligne” : 1m75 ; 75kg, “charnière” (N°9-N°10); 1m65, 70kg, vodilaharana: 1m70; +75kg. nomarihina moa fa ilaina ao anatin’izany ny taratasy fanamarinana avy any amin'ny dokotera mikasika ny valin’ny fitsapana ny COVID 19 na “Test PCR”. Eo koa ny fitaovana entina manao fanatanjanahatena sy taratasy fanamariham-pahaterahana na kopia.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT