Fifanolanana any amin’ny Fanalamanga

Nitondra ny raharaha any amin’ny FIFA sy TAS ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

gazety ny Fosa Juniors, ka naneho tao anatin’ny seraserany fa tena gaga amin’ny fihetsiky ny ankilany. Nanamafy, izany hoe manaiky, ny filohan'ny AS Fanalamanga fa tapitra tokoa ny fifanarahana nifanaovana teo amin'ny kliobany sy i Joma. Aiza ny fitsipika sy lalana ahafahana milaza izany hoe mbola mpilalaon'izy ireo i Joma? hoy ny Fosa Juniors. Milasa ity klioba ao Mahajanga ity fa I Joma rahateo dia efa nanamarika fa tsy misy n'inon'inona intsony mampitambatra azy sy ity klobany teo aloha ary efa enim-bolana tsy nandray karama ny tenany mialohan'izany fahatamperan'ny fifanarahina tamin'ny septambra 2023 izany. Naneho noho izany ny Foza Juniors tao anatin’io serasera nataony io ihany, fa mampalahelo ihany koa raha hoe tsy hanohy ny fifaninanana intsony ry zareo Fanalamanga... Raha ny eritreritray Fosa Juniors manokana dia tsy tokony hatao hanimba ny kitra malagasy ny ambom-pon'ny sasany izay sady ao amin'ny Komity mpanatanteraka no sady lehibena klioba, hoy ny fanamarihana. Nilaza ho nitsahatra ny nangataka fifampiresahina tamin'ny AS Fanalamanga ireo mpitantana avy amin'ny Fosa Juniors, fa dia foana avokoa izany satria tsy nisy valiny. Noho ireo rehetra ireo, nilaza ny Fosa fa tsy manaiky velively ny fanasaziana tsy mitombona an'i Joma sy ny Fosa Juniors FC, ka hanohy ihany ny fifaninanana, mba ho tombotsoan'ny kitra malagasy... Manana ny vinany sy ny lanjany ny Fosa Juniors FC, ary heverinay fa ny mpilalao eo ambony kianja no tokony manamaritra hoe iza no ekipa tsara kokoa, fa tsy ireo mpiasa birao sasantsasany sy ny fitiavan-tenany, hoy hatrany izy ireo. Nanamafy noho izany ity klioba ity fa nentiny eo anivon'ny FIFA sy ny TAS na Tribonaly misahana ny fifanolanana ara-panatanjahantena ny raharaha "Joma". Manantena izahay fa hanome valiny marina sy mahitsy izy ireo ka hanasazy ny AS Fanalamanga na ara-bola, na ara-panatanjahan-tena, hoy hatrany ny Fosa Juniors tao anatin’ny seraserany.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT