Sport

Fifanitsanan’ny CAN 2023 Efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025


  • Zoma 24 Martsa 2023

Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,

raha ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tapakila ho any amin’ny amboaran’I Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na CAN 2023 ho atao any Cote d’Ivoire no resahana. Laharana faha 4 farany ao amin’ny vondrona E izay misy azy ny ekipam-pirenena malagasy na Barea izay tsy manana afa-tsy isa tokana monja tao anatin’ireo lalao miisa 3 vitany. Raha farany miezaka ka mahita fandresena hatrany izany ireo boay kelin’ny “mpanazatra”, Nicolas Dupuis, dia isa 10 no ho azo. Sarotra inoana anefa ny ahazoana izany vokatra izany, rehefa mijery ny lalao nataon’ny Barea omaly nanoloana ny Fauve avy atsy Centrafrique tetsy amin’ny Kianja Barea omaly. Tery dia tery ny fotoana. Mbola 3 andro indray sisa iomanana manoloana ireto ekipam-pirenena vao avy nandresy antsika tamin’isa mavesatra tetsy an-jaridaina tamin’ny isa mavesatra 0 noho 3 ireto. Latsak’izay 3 andro izay aza. Miandry mpanazatra vaovao, eny, mpanomana tekinika na STAFF tekinika manontolo vaovao mihitsy hanarina ny zavatra rehetra.
Legende : Lany bala i Nicolas Dupuis
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT