Sport

Fifanitsana – CAN 2021 Tsy raikitra ny fihaonan’ny Barea sy ny Elefanta


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

24 ora taorian'ny famoahan'ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahan-tena, Tinoka Roberto, tao amin'ny tambazotran-tseraserany fa ho fitsinjovana sy fiarovana ny

 

 

 

fahasalaman'ireo mpilalao sy ny mpijery nohon'ny fisian'ity Coronavirus ity dia manaitra ny avy ao amin'i CAF ny tenany fa ho zava-doza hoan'ny mpilalao sy ny mpijery raha ho tanterahina io lalaon'ny Barea sy Côte d'Ivoire ny 27 sy 31 martsa io satria efa miparitaka be any Eoropa ny COVID-19 ka mety ho mora ny hiparitahan'izany aretina izany ho an'ny firenena mpampian-trano ny lalao dia namoaka ny fanapahan-keviny ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra. Nihemotra tamin’ny fanambarana izay nataony ny 11 martsa ny amin’ny hanatanterahana ny lalao ihany ny CAF satria dia nisy ny fanambarana nataon’ity rafitra iraisampirenena ity fa haato indray ny lalao rehetra saika ho notontosaina ny faran’ity volana ity, izany hoe ny fihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’I Cote d’Ivoire. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe noho ny antsoavo nataon’ny minisitra tokoa ve no nandraisana ny fanapahan-kevitra? Na izany aza anefa aloha dia mahagaga ihany ny tsy fitoviam-pijery eo anivon’ny fitondram-panjakana foibe satria misy minisitra hafa milaza fa tsy mbola ilaina ny manakatona ny sisin-tanintsika. Ny minisitry ny fanatanjahantena anefa io milaza fa loza ny mbola hananatanterahana ireo lalao voalaza teo ny faran’ny volana izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT