Fifanintsanan’ny

Mondial FIBA 2027 Hiatrika lalao goavana


  • Alarobia 01 Jolay 2026

ny Ankoay manomboka rahampitso

Hiatrika dingana manan-danja amin’ny fifanintsanana hahafahana miatrika ny « Coupe du monde FIBA 2027 » ny Ankoain’i Madagasikara. Tsy maintsy hiady mafy ao anatin’ny varavarankely fahatelo, izay hatao ao Dakar Sénégal, ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay 2026, hifaninana ao amin’ny Vondrona B. Hanomboka amin’ny fihaonana amin’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo rahampitso 2 jolay amin’ny 3 ora tolakandro, avy eo hifandona amin’ny Sénégal, izay mpampiantrano ny 4 jolay amin’ny 6 ora hariva, ary hifarana amin’ny ady amin’i Côte d’Ivoire ny 5 jolay amin’ny 3 ora tolakandro. Taorian’ny fiomanana sy fanazarantena natao teto Antananarivo no nanapa-kevitra mikasika ny lisitra farany handrafitra ny ekipa ny mpanazatra Mickaël Pivaud, ka ireto avy izy ireo : Marco Rakotovao, Mathias M’madi, Austin Rasolonjatovo, Elly Randriamampionona, Kiady Razanamahenina, Mickaël Heritiana, Sitraka Raharimanantoanina, Lovasoa Andriatsarafara, Anthony Rasolomanana, Arnol Solondrainy, Jerry Rabibisoa, Donovan Rakotonanahary. Tsy manan-tsafidy afatsy fandresana sy vokatra tsara ny Ankoay eto noho ny faharesena telo tamin’ny "fenêtre" teo aloha fony teo ambany fitarihan’i John Douaglin ny Ankoay.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT