Fifanintsanan’ny « Mondial 2028 »

Milaza hamotika izay hidona aminy ny Malianina


  • Talata 06 Febroary 2024

Ataonay mahita ireo hidona aminay ao anaty fifanintsanana

amin'ny Amboara eran-tany hoy Eric Chelle mpanazatra ny Mali. Izay sisa no nanalany ny fony taorin'ny nandresen'i Côte d'Ivoire azy izay nolazaina fa nitongilana ny mpitsara. Ny nanaitra anefa dia filazany fa hataony mahita faisana ireo hifanena aminy ao anaty fifanintsanana hiakarana hanao Mondial. Tonga dia ny Barea sahady izay hihaona aminy ny volana jona no mby ao an-tsaina. Hahatohitra azy ve ny Barea satria raha ny mpanazatra aza ny antsika niainga tao amin'ny FC BFV fa Eric Chelle kosa dia tao amin'ny Racing Club de Lens niaraka nilalao tamin'i Arsène Malabary. Fa angaha izay ihany fa na eo amin'ny mpilalao aza dia saika any amin'ny avo lenta no misy ny Mali. I Hamari Traoré izao dia milalao ao amin'ny Real Sociedad izay hidona amin'ny PSG ao anaty Ligue des Champions ny 14 febroary izao. Lassane Sinayoko kosa indray dia miaraka milalao amin'i Rayan Raveloson ao Auxerre. I Tapsoba ilay nanilika ny Burkina Faso dia milalao any Alemaina ao amin'ny Bayer Leverkusen.Abdoulaye Doucouré indray dia ao Everton.Ohatra vitsivitsy ireo hilazana sahady fa ho mafy ny miandry ny Barea na eo Mahamasina asa raha toa ka vita soamantsara io kianja io. Ny Barea mantsy hatreto dia mbola ny omaly tsy niova ihany satria mbola tsy re be tsy re kely ireo roalahy nolazain'ny filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa. Efa nody ihany koa Roro Rakotondrabe saingy io izy tsy ahitana teny toy ny olona voatampi-bava io. Asa inona loatra re sa tahotra ny tsy ho voatazona indray satria ny olona mihazakazaka any amin'ireo mpanazatra vazaha.Na izany na tsy izany anefa dia tokony hajanona hatreo ny fakana ireo mpilalao latsaky ny Ligy 2 frantsay sy ireo milalao any an-toerana hafa nefa mbola diviziona faharoa ihany sady any anaty fifaninana tsy dia mankaiza. Raha Diviziona faharoa any Egypte ohatra tsy aleo ve maka toto-tanana fa ny safidy no apetraka tsara hoe Fosa, Disciples, CFFA ary, saika adino, ny Elgeco Plus.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT