Fifanintsanan’ny Mondial 2026

Nomontsanin’ny Barea 3-0 I Tchad


  • Talata 21 Novambra 2023

Voaarina ny faharesena tamin’ny andro voalohany ! Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa mazava 3-0 ny Barean’i

Madagasikara alina nanoloana ny ekipam-pirenen’i Tchad ho an’ny andro faharoa ao anatin’ny Vondrona I. Tsy dia nisy fiovana ben y 11 voalohany nijoro nanoloana an’i Ghana ankoatra ny nanajanonana an’i Tsiry ho mpiandry toerana sy ny nampijoroana an’i Clément Couturier tao afovoan-kianja. Nanatombo tamin’ny haavo teknika isika, ary voaahaja ny lojika, ka teo amin’ny minitra faha-9 dia efa nokobanin’i Njiva ny harato rehefa nisy ny tolotra tsara dia tsara nalatsak’i Metanire avy any ankavanan’ny kianja, notsenainy tamin’ny lohany. Iray minitra taorian’io anefa dia nahakobana harato ny mpifanandrina saingy « hors jeu ». Betsaka ireo fanafihana tsara dia tsara nentitsika, saingy 1-0 no nentina niala sasatra. Somary natoritory isika tany amin’ny fizaram-potoana faharoa, somary nanindry hatrany ny ekipan’i Tchad, ka tany amin’ny minitra faha-80 isika vao velona tamin’ny alalan’ny fanafihana tsara dia tsara miisa roa, saingy tsy nety nahakobana harato. Voalavaka fanindroany ihany anefa ny mpifanandrina rehefa nisy fanafihana tsara dia tsara nentin’i El Hadary ary nofaranan’i Njiva teo amin’ny minitra faha-84. I El Hadary izay efa tany amin’ny minitra faha-66 no nampidirina, nisolo an’i Dorian, mitovitovy amin’ny tamin’ny lalao voalohany ihany. Mbola fanafihana sy tolotra tsara avy amin’i El Hadary ihany koa no nampidiran’i Lapoussin ny baolina fahatelo, rehefa avy namitaka ny vodilaharana sy nandaka izany izay nahavery tanteraka ny mpiandry harato tany amin’ny minitra faha-91. Efa mahavelom-bolo ny vokatra, ary tsikaritra ho efa mihatsara ny fiarahana ho an’ny ekipam-pirenena na betsaka aza ny lesoka mbola mila harenina. Mbola henjana rahateo ny lalao miandry tahaka ny fifandonana amin’i Mali izay mitana ny laharana voalohany manana isa 4. Na izany aza dia voatazon’i Centrafrique 1-1 izy ireo halina. Ho an’ny Vondrona misy antsika izany, dia mitana ny laharana voalohany hatreto i Mali manana isa 4, faharoa i Comores manana isa 3, fahatelo i Madagasikara manana isa 3, fahaefatra i Ghana manana isa 3, fahaefatra i Centrafrique manana isa 1, ary farany kosa i Tchad izay resy indroa. Tsara ny manamarika, fa tany Maraoka no natao ny lalao omaly noho i Tchad tsy manana kianja ankatoavin’ny FIFA, ka Malagasy maro no nanohana ny ekipam-pirenentsika tany an-toerana omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT