Fifanintsanan’ny Mondial 2026

Nidina ho laharana faha-3 vonjimaika ny Barea


  • Alarobia 12 Jona 2024

Nitsimbadika indray ny filaharana ao anatin’ny Vondrona I misy an’i Madagasikara ao anatin’ny

fifanintsanan’ny Mondial 2026. Niakatra ho laharana voalohany vonjimaika indray i Comores izay nandresy an’i Tchad 2-0 ka manana isa 9, nidina faharoa i Ghana manana isa 9 ihany koa, ary fahatelo i Madagasikara manana isa 7, fahaefatra i Mali isa 5, fahadimy i Centrafrique manana isa 4, ary farany i Tchad manana 0. Ny volana martsa 2025 any ho any indray ny lalao manaraka, ka i Centrafrique sy Comores no miandry antsika. Mbola henjana ny kajikajy amin’ireo lalao manaraka, mbola manana herijika lehibe isika satria tena hifampitady ireo 4 voalohany ao anatin’ny vondrona mba hanana isa tsara. Tsiahivina hatrany fa izay tafavoaka voalohany ao anatin’ny Vondrona no miatrika avy hatrany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, raha toa ka kely ny herijika ho an’ny laharana faharoa izay tsy maintsy handalo dingana fifanintsanana maro raha toa ka tafiditra ho isan’ireo faharoa tsara indrindra tao anaty vondrona, raha hisy an’izay aza.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT