Fifanintsanan’ny « Mondial 2026 »

Montsan’ny Barea 3-1 i Tchad, saingy nahenan’i Ghana ny herijikatsika…


  • Talata 09 Septambra 2025

Nandresy mazava tamin’ny isa 3-1 an’i Tchad Barea alina teo amin’ny

andro faha-8 amin’ny fifanintsanan’ny « Mondial 2026 ». Nanindry tamin’ny lafiny rehetra isika, saingy ny mpifanandrina no nanokatra ny isa teo amin’ny faha-25 rehefa nahita valim-panafihana tsara. Isika no nifehy ny lalao kokoa ary tao anatin’ny folo minitra voalohany, dia efa nandeha ny fanafihana nanahirana nentin-dry El Hadary. Tany amin’ny faha-15 minitra vao nahita fanafihana, izay tena nirindra sy atahorana ny Tchadien fa voasakan’i Jordan Dupure ny daka farany, ary folo minitra taorian’io no nahatafidirany ny baolina voalohany.Niezaka nanenjika isika, betsaka ireo fanafihana tsara, toy ny daka lavitr’i El Hadary teo amin’ny faha-34 minitra, saingy mbola voahiliky ny mpiandry harato. 42 minitra, voafingana tao anaty faritra tsy azo ivalozana i El Hadary, saingy navadiky ny mpitsara ho « simulation », ka izy indray no nomena karatra mavo. Nitohy ny fanindriana sy fanafihana ho antsika, ka nokobanin’i Warren Caddy ihany ny harato teo amin’ny faha-52 minitra. Niezaka nitady tombon’isa, ka nahavita mazia tamin’ny alalan’ny fahaiza-mamitaka sy nandatsaka i El Hadary teo amin’ny faha-68 minitra, izay ka matin’i Rayan tamin’ny lohany. Nahita « poteau» ny « coup franc » Tchadien teo amin’ny faha-83 minitra, izay saika loza ho antsika. Avotry ny tsivalam-by ihany koa anefa ry zareo teo amin’ny minitra faha-87, saingy mbola nahavita namono baolina i Hakim Abdallah tany amin’ny 90+3 rehefa nampidirina nanolo an’i El Hadary. Samy nanome ny tsara avy aminy ny mpilalao rehetra, ary mipetraka ny maha teknisianina an-dry Marco Ilaimaharitra, nahavita nanakobana harato indray i Rayan na nisy aza ny lesoka mila hatsaraina, niady mafy ry Rado, Eshan Kari, Sandro Tremolet,… fa isan’ny tena misongadina hatrany i Clément Couturier. Azo lazaina ho mipetraka ny « automatisme » amin’ny ankampobeny, fa mila harenina ireo pitsopitsony sasany. Zava-dehibe ny fandresena, mametraka antsika ho ao anatin’ny hazakazaky ny «Mondial 2026 », saingy miankina ihany koa amin’ireo andro faha-9 sy faha-10 farany ao anatin’ny vondrona I.
TSY MANAN-TSAFIDY AFATSY FANDRESENA HATRANY, SOMARY KELY NY HERIJIKA…
Niverina ho eo amin’ny laharana faha-2 isika, saingy mbola sarotra ny toerana. Nandresy 1-0 an’i Mali mantsy ny Ganeanina omaly, ka lasa niampy isa 3, niakatra ho « 19 points », faharoa Madagasikara (16 points), fahatelo i Comores manana (15points), fahaefatra i Mali (12points), fahadimy i Centrafrique (5points), ary fahaenina i Tchad isa 1. Tsara kokoa tamintsika raha nandresy ny Malianina, saingy tsy izay no nitranga, ary io no mety hanimba ny nofinofintsika, saingy mbola tsy tapitra ny hazakazaka, ka mila miady. Miankina amin’reo lalao 2 farany amin’ny oktobra no mamaritra ny hoavintsika izay henjakenjana ihany ny hiatrika an’i Mali any an-taniny sy hifandona amin’i Comores, ary mbola samy hiady mafy ireo na dia ho laharana faharoa tsara indrindra aza farafaharatsiny. Mbola miankina amin’ireo lalao farany roa an’i Ghana ihany koa anefa ny hoavintsika satria ankoatry ny tokony hibatana fandresena dia tsy manana herijika ho voalohany isika, raha sanatria ka fandresena avokoa no azony. Na izany aza, mbola ao anaty hazakazaka tsara isika, ary tafiditra ao anatin’ireo ekipa efatra faharoa tsara indrindra manao lalao sakana hatreto raha sanatria tsy tafiditra voalohany !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT