Fifanintsanan’ny « Mondial 2026 »

Mbola mafy ny miandry ny Barea


  • Alatsinainy 25 Martsa 2024

Anio moa izany ny lalao fanomanan-tena faharoa ho tontosain’ny ekipam-pirenena malagasin’ny

baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara ho fanomanana ny fifanintsanana ho any amin’ny tompondaka eran-tany izay handraisantsika indray ny ekipam-pirenen’i Rwanda etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina hatrany taorian’ny fandresena moka fohy 1 no ho 0 nanoloana an’i Burundi. Hatreto dia mbola mafy ny miandry ny Barea rehefa mijery ny fivoaran’ireo ekipam-pirenena miisa 2 tena hifandona amintsika amin’ny volana jona dia ny kaomorianina, izay nandresy an’i Ouganda tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 sy ry zareo malianina izay nandresy 2 no ho 0 an’i Maoritania. Azo lazaina ho nifehy ny lalao nataony avokoa ireto ekipa miisa 2 ireto na dia tanatina lalao fitsapana aza raha toa ka nahitana lesoka kosa ny fitantanan’ny ekipa malagasy ny fizaram-potoana faharoa nanoloana an’i Burundi ny zoma teo. Mbola tsikaritra ho nisy lesoka ihany koa teo amin’ny lafiny fanafihana, izay ny filazan’ireo mpamakafaka namana azy moa dia hoe tsy ampy ny fahasahiana miditra anaty faritra tsy azo ivalozana na koa hoe mihafihafy isika. Mbola misy somary mamotsotra koa anefa teo amin’ny lafiny vodilaharana sy afovoanin’ny kianja. Hita ho lasa mitady hatoky teny loatra i Berajo ary matetika tsy tontosa ny tolotra niainga taty amin’i Clément Couturier taty. Inoana sy antenaina na izany na tsy izany aza fa efa voajerin’ny mpanazatra izany lesoka rehetra izany ary dia hahita endri-dalao tsaratsara kokoa isika amin’ity anio ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT