Fifanintsanan’ny Mondial 2026

Mbola any Maroc no hampiantrano ny lalao ny Barea


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2025

Na miparitaka aza ny filazana fa nahazo fankatoavan’ny CAF ny Kianja Barea,

izay mbola tsy misy filazana ofisialy hatreto, dia fantatra fa tsy mbola nomen'ny FIFA fankatoavana handray lalao iraisam-pirenena sokajy fahatelo na "Categorie 3". Hatreto, voatery any amin’ny kianja Larbi Zaouli ao Casablanca Maroc no hanatanterahana ny lalao manaraka amin’ny volana septambra ho an’ny Barea eo amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny Mondial 2026. Hifandona amin’i Repoblikan’i Centrafrique isika ny 4 septambra ary hifandoina amin’i Tchad ny 8 septambra. Ireo lalao roa ireo dia tena manan-danja amin’ny fanantenana hahazo toerana amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Raha hiverenana, manana isa 15 i Ghana izay laharana voalohany vonjimaika. Mitana ny laharana faharoa vonjimaika I Comores izay manana isa 12. Madagasikara, izay nandresy an’i Centrafrique tamin’ny isa 4 noho 1, saingy resin’i Ghana tamin’ny isa 3 noho 0, dia manana isa 10. Mali kosa dia eo amin’ny laharana fahefatra miaraka amin’ny isa 9, Centrafrique amin’ny laharana fahadimy amin’ny isa 5, ary Tchad no mitana ny laharana farany satria mbola tsy nahazo fandresena hatramin’izao. Mafimafy ny ady ho an’ny Barea amin’ny fanatrarana ny tanjona ho amin’ny Mondial 2026, ary ilaina ny fandresena amin’ireo lalao manaraka any Maroc mba hahafahana miady amin’ny toerana ambony ao anatin’ny Vondrona izay ny voalohany no tafita avy hatrany, ary ny faharoa tsara indrindra no afaka mifaninana amin’ny dingana hafa hahazoana tapakila.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT