Fifanintsanan’ny « Mondial 2026 »

Maratra, tsy afaka ho any Maroc i Jean Harisson Marcellin


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

Tsy ho isan’ireo mpilalao afaka handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy na ny Barea

amin’ireo lalao roa hatao any Maroc ny 4 sy 8 septambra izao tafiditra anatin’ny andro faha-7 sy faha-8 amin’ny fifanintsanan’ny « Mondial 2028 » i Jean Harrison Marcelin. Araka ny fanambarana ofisialy nataon’ny klioba aostrianina SK Rapid Vienne, dia naratra mafy ao amin’ny faritry ny feny nandritra ny lalao nifanaovana tamin’ny SCR Altach, nisaraka tamin’ny isa 0-0 i Jean Harisson Marcelin, izay isan’ny tena andrin’ny ekipany. “Ny mpilalao mpiaro anay, 25 taona, dia voan’ny ratra mafy amin’ny hozatra amin’ny fe, ary indrisy fa tsy afaka hilalao mandritra ny volana maro,” hoy ny fanazavan’ny Rapid Vienne mikasika ity mpilalao izay tena ianteherana amin’ny fiarovana mirefy 1,97m ity. Mazava ho azy, fa tsy ho afaka hanatevin-daharana ny Barea tarihin’i Corentin Martines afaka 2 herinandro eo ho eo amin’ny fifandonana amin’i Centrafrique sy Tchad izany ity mpilalao ity isan’ny tena ianteherana ho an’ny vodilaharana afovoany ity, raha ny lalao nasehony niaraka tamin’ny Barea. Mafimafy ny miandry antsika satria mila mitady fandresena amin’ireo lalao roa ireo ny Barea mba hanatsarana ny toerana noho isika laharana faha-3 vonjimaika amin’ny alalan’ny isa 10 raha toa ka faharoa i Comores izay manana isa 12, ary voalohany kosa i Ghana hatreto izay efa manana 15.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT