Fifanintsanan’ny « Mondial 2026 »

Lohalaharana vonjimaika i Comores, nandresy 1-0 an’i Ghana


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Nitohy ny fahombiazan-dry zareo Kaomorianina ao anatin’ny hazakazaky ny fifaninanana

hahazoana ny tapakila hiatrehana ny lalao maneran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra na ny « Mondial 2026 ». Nivoaka nandresy tamin’ny isa 1-0 nanoloana ny Kintana maintin’i Ghana indray mantsy ny Cœlacanthes omaly hariva, raha nampiantrano ny lalao tao Moroni. Baolina tafiditr’i Myziane Maolida. Tsy vao sambany ny fandavoan’i Comores an’i Ghana satria dia ny Cœlacanthes ihany koa raha tsiahivina no nanakana ny dian’i Ghana tany amin’ny CAN farany ny taona 2022 tany Cameroun. Fandresena fanindroany ho azy ireo io taorian’ny nandavoany 4-2 an’i Centrafrique kosa io ho an’ity fifanintsanan’ny Mondial 2026 ity, ka nanamafy ny maha laharana voalohany azy ao amin’ny Vondrona I ahitana antsika Malagasy, Comores, Mali, Ghana, Centrafrique, ary i Tchad. Raha ny filaharana vonjimaika araka izany, dia laharana voalohany i Comores izay manana isa 6, faharoa i Mali manana isa 4 noho izy efa nandresy 3-1 an’i Tchad sy nanao ady sahala tamin’i Centrafrique, fahatelo I Madagasikara izay resin’i Ghana 1-0 ary nanamontsana an’i Tchad 3-0, fahaefatra kosa i manana isa 1 ary farany i Tchad mbola tsy manana isa. Mbola vao lalao roa izay no vita, ary mbola misy 8 ny miandry, ka ny volana jona 2024 indray ny andro fahatelo sy fahaefatra, ka ho an’i Madagasikara dia isan’ny horaisintsika etsy Mahamasina i Comores, izay heverina fa ho tena baolina be, saingy ambony ny fanantenana ho an’ny Malagasy, izay hilalao eto amin’ny taniny, ary tahaka izany ihany koa ny valin’ady amin’ny Ganeanina. Tsara rahateo ny manamarika, fa izay tafavoaka voalohany isaky ny vondrona dia ho tafakatra avy hatrany any amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany, ary ireo laharana faharoa mendrika indrindra kosa dia hanao lalao sakana hiadiana ny tapakila. Azo lazaina araka izany, fa ambony ny herijika ahafahantsika ho tafavoaka ho laharana voalohany ao anatin’io, raha tarafina amin’ny haavo teknika nasehon’ny ekipam-pirenena Malagasy tao anatin’ireo lalao roa voalohany.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT