Fifanintsanan’ny « Mondial 2026 »

Andrasana anio ny lisitry ny Barea


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

Andrasana anio ny lisitry ny Barean’i Madagasikara na ny ekipam-pirenena malagasin’ny

baolina kitra hiatrika ny tohin’ny fiadiana ny tapakila hankanesana any amin’ny amboara erantany 2026, raha tsy misy ny fiovàna. Hiditra amin’ny andro faha 7 moa isika ny 4 septambra izao, raha tsiahivina. Lalao miverina izay tokony ho ampiantranoana eto an-toerana saingy noho ny fenitry ny kianja misy izay tsy mifanaraka amin’ireo mason-tsivana napetraky ny federasionina iraisampirenena na FIFA sy ny federasionina afrikanina na CAF dia voatery ny kianjan’i Larbi Zaouli ao Casablanca, Maraoka, no hindramintsika handraisana an’i Centrafrique. Toy izany ihany koa ny lalao miverina handraisana an’i Tchad ny 8 septambra. Samy amin’ny 7 ora hariva, ora eto Madagasikara no hanaovana ny lalao, raha ny fandaharam-potoana voaray. Hirariana, araka izany, ny mba ahitàn’ilay tekinisianina frantsay-portogey, Corentin Martins, paikady mahomby sy fahaiza-mampilahatra ireo mpilalao ahazoana fandresena in-2 miantoana ho herijika amin’ny tohin’ny fifaninànana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT