Sport

Fifanintsanan’ny «Ligue des champions» Misy herijika ny klioban’i Loïc Lapoussin


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Manana herijika ho tafiakatra any amin’ny lalao sakana ahafahana miakatra amin’ny Ligue des champions any Eoropa ny Union Saint-Gilloise misy ilay mpilalao Malagasy Loïc Lapoussin.

Nandresy 2-0 ny Glasgow Rangers avy any Ecosse ity Klioba Belza ity ny alin’ny talata teo, baolina matin’ny kapiteny Teddy Teuma teo amin’ny minitra faha-27 sy an’i Dante Vanzeir teo amin’ny faha-76 minitra. Lalao izay tafiditra ao anatin’ny fihodinana fahatelo amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny ligues des champions. Afaka herinandro latsaka eo ny lalao miverina hatao any Ecosse. Tsara ny manamarika fa tompon-toerana ary nilalao hatramin’ny farany i Loïc Lapoussin, ary nandray anjara betsaka tamin’ny fandresena azon’ny kliobany. Raha tafavoaka eo izy ireo, dia hifandona amin’izay mivoaka mpandresy amin’ny PSV Eindhoven sy ny AS Mnonaco, izay nisaraka 1-1 tamin’ny lalao mandroso. Tsiahivina fa tompondakan’ny divizionina faharoa any Belgique ny Union Saint-Gilloise talohan’ny taom-pilalaovana farany teo, niakatra ho divizionina voalohany tamin’ny taon-dasa, ary namiratra sy laharana faharoa avy hatrany tamin’ny taom-pilalaovana farany teo. Mitana ny laharana fahatelo vonjimaika izy ireo amin’izao fanombohan’ny taom-pilalaovana izao, raha toa ka faha-5 kosa ny Sporting Chaleroi misy an’i Marco Ilaimaharitra, izay vao avy resin-dry Lapoussin 1-0 dimy andro lasa izay.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT