Fifanintsanan’ny lalao olaimpika

Tafita amin’ny dingana


  • Alarobia 10 Jona 2026

manaraka ny Barea Ladies

Nandresy tamin’ny isa 1-0 an’i Soudan du Sud ny ekipan’i Madagasikara vehivavy omaly, tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Julie Sololalaina efa tany amin’ny minitra 90+3. Tolotra tsara dia tsara avy amin-dRazananivo Solomampionona, izay tena nisongadina. Matetika sarotra ny mitana azy ary tena mahafitaka olona iray roa telo foana izy. Namitaka tanteraka ny vodilaharana iray izy ary nandrasany nalalaka tsara i Julie, ka nikobana ny harato. Io no vokatra nanome tombony lehibe ho an’ny Barea vehivavy, taorian’ny nisarahana 1-1 tamin’ny lalao mandroso, ka nahazoantsika ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraky ny fifanintsanana hiadiana ny tapakilan’ny Olaimpika any Los Angeles ny taona 2028. Ny Afrikanina Tatsimo no miandry antsika amin’ny dingana manaraka, lalao hatao ny 5 ka hatramin’ny 13 oktobra. Ekipa manana hery sy traikefa izy ireo, ary isan’ny maozatra aty Afrika. Na izany aza, tsy midika velively fa tsy azo resena. Ny Barea vehivavy dia efa nanaporofo fa afaka miatrika sy mandresy, raha raisina amin’io lalao tamin’i Soudan izay voatery tany ivelany io avokoa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT