Sport

Fifanintsanan’ny CHAN Resin’i Madagasikara 1-0 i Seychelles


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Nihiratra kely indray ny masoandron’ny ekipam-pirenena eo amin’ny sehatry ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara taorian’ny vokatra ratsy maro nisesisesy,

raha tsy hilaza afatsy ny farany teo dia ny Cosafa cup, izay faharesena roa tamin’ny lalao roa no azo tany Afrika Atsimo. Nahavelom-bolo kely kosa ny vokatra tamin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CHAN 2023, lalao nifanandrinan’ny Barea sy ny ekipam-pirenen’i Seychelles ny sabotsy teo, natao tany Maurice. Lavontsika tamin’ny isa 1-0 ry zareo, ka i Arohasina Andriamirado na Dax izay vao nantsoina hanatevina ny Barea taorian’ny tsy fahombiazana tany Afrika Atsimo no nitondra ny fandresena ho antsika. Baolina matiny teo amin’ny minitra faha-24. Izy ihany koa no nampisaloran’ny mpanazatra Raomuald Rakotondrabe na Rôrô ny “brassard” maha kapitenin’ny ekipam-pirenena teto. Nanatombo tamin’ny teknika sy fahaiza-manao ny Barea, saingy mbola misy ihany ny lesoka maro tokony harenina. Ny 31 jolay izao moa no lalao miverina eo amin’i Madagasikara sy Seychelles izay hatao etsy amin’ny Kianja Mahamasina. Mbola baolina ihany fa lalaovina an-torapasika na “beach soccer” dia nomontsanintsika 5-2 ihany koa i Seychelles ny sabotsy teo ihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT