Sport

Fifanintsanan’ny CHAN 2023 Tafita amin’ny dingana farany ny Barea


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Tafita any amin’ny fihodinana faharoa, dingana farany amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CHAN 2023 ny Barean’i Madagasikara.

Taorian’ny fandreseny ny Pirates ekipam-pirenen’i Seychelles nandritra ny lalao mandroso 1-0, mbola lavon’ny barea tamin’ny isa mavesatra 3-0 indray izy ireo omaly tetsy amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina. Nanindry tanteraka ny Malagasy, ka vao teo amin’ny minitra faha-6 dia efa nahatafiditra baolina I Tsilavina. Io no nisarahana tamin’ny fizaram-potoana voalohany, ary nahatafiditra ny baolina faharoa i Rinjala tamin’ny minitra faha 68. Maro ny baolina saika tafiditry ny Malagasy fa navotan’ny mpiandry tsatokazon’ny Pirates hatrany. 79 minitra, nahazo karatra mena ny mpilalao irain’i Seychelles rehefa nisy fanohanana tsy nety nahazo an’i Rinjala. Tsy maintsy niala ity farany ary nosoloana an’i Lalaina. Minitra faha 93, mbola i Tsilavina no nampiditrana ny baolina fahatelo, ary nampikobana indray haraton’ny Pirates. Tafita amin’ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana CHAN 2023 ny Barea, ary hatao ny faraparan’ny volana aogositra ny lalao manaraka taorian’ity fandresena ity. I Botswana no hifanandrina amin'i Madagasikara amin'ity fihodinana faran'ny fifanintsanana CHAN 2023 ity, ka eo anelanelan’ny 28-28 aogositra ny lalao mandroso any Botswana, ary ny 2-4 septambra ny lalao miverina eto Madagasikara. Marihina fa isan’ny tonga nanohana ny Barea CHAN omaly ny Kapitenin’ny Barea zokiny teo aloha Faneva Ima.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT