Sport

Fifanintsanan’ny CAN U23 Montsan’ny Barea 12-1 i Seychelles…


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Nomontsanin’ny Barea U23 tamin’ny isa mavesatra 7-1 indray ny Pirates-n’I Seychelles tamin’ny lalao miverina ho an’ny dingana savaranonando hiakarana amin’ny CAN U23,

 lalao natao tetsy amin’ny Kianjaben’I Mahamasina omaly. Nanjakan-dry Arnaud, Lalane, Calvin, El Hadary, Jinidy, Mathis sy ny namany ny kianja, na dia ny Seychellois aza no nampidi-baolina voalohany tamin’ny alalan’i Afandi (3’). Nisesy avy eo ny baolina matin’ny Barea: Lalane 7’, El Hadary 11’, Arnaud 18’, CSC (namono tena) 54’, Arnaud 65’, Penalty (Calvin nanome baolina an’I El Hadary) 84’, Claude 86’. Mbola maro aza ny baolina tokony ho faty, toy ny teo amin’ny minitra faha-74 izay efa voafitaka ny mpiandry harato, saingy nodakan’ny lohalaharantsika tany amin’ny nisy ny vodilaharana farany ny baolina, minitra vitsy taorian’izay dia tokony ho nahazo penalty fa tsy notsofin’ny mpitsara. Nandohalika tanteraka ny Seychellois. Raha hatambatra ny lalao mandroso sy miverina dia 12-1 izany no nisarahan’ny roa tonta satria efa nandresy 5-0 isika tamin’ny sabotsy teo. nanatombo tamin’ny haavo teknika ny Barea, izay mila miomana amin’ny tohiny satria izao vao tena ho mafy noho ny lentan’ny mpifanandrina manaraka miandry antsika. Mila miomana na ara-tsaina, na ara-batana, na ara-teknika, fa indrindra ny ara-bola satria re fa manana olana sahady ny Barea U23 amin’io resa-bola io. I Gabon no no miandry antsika manaraka eny Mahamasina ny 22 oktobra ho an’ny lalao mandroso. Raha tafita eo dia hifandona amin’ny iray amin’I Cameroun, Namibie, Angola eo amin’ny dingana farany hahafahana mahazo ny tapakilan’ny CAN U23 hatao any Maroc amin’ny taona ho avy io.


Mikasika ny lalao ara-pirahalahiana omaly ho an’ny Barea zokiny izay nifandona tamin’I Bénin omaly amin’ilay “Tournoi Maroc Capital du foobal Africain” kosa, nandresy tamin’ny isa 3-1 isika, baolina matin’i Tsiry (12’) voasahala teo amin’ny faha-17 minitra, nampian’I Donisa (61’), ary Rayan (82’). Momba ny Barea zokiny hatrany, dia nanambara ny handehanany hisotro ronono I Jeremy Morel izay 38 taona, isan’ireo miatrika ny famondronana any Maroc.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT