Sport

Fifanintsanan’ny “CAN Beach Soccer Senegal” Manoman-tena any Mahajanga ny Barea


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Manomana ny fandraisana anjara amin'ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho

 

tompodakan'ny Afrika CAN Beach Soccer Senegal - Mai 2021 ny Malagasy. Misy fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena manomboka rahampitso 14 desambra hatramin'ny 19 desambra 2020 izao ao Mahajanga. Tsar any mampahatsiahy fa i Madagasikara no tompondakan’i Afrika tamin’ity baolina kitra lalaovina amin’ny toropasika ity, ary efa tafiakatra tamin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany tany Russie 9-19 jolay 2015, saingy somary ratsy ny vokatra. Ireto avy ireo, mpilalao voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena amin’ity. Mpiandry tsatokazo: ANDRIAMIFEHY Chrétien (F/Dauphin), FIADANANA Jean Mario (Brickaville), LIDO Jean Clais ( Brickaville). Vodilaharana : ETIENNE Giovanni Oscar (Morondava), RAKOTOMALALA Orlando (Vatomandry), RICHARD Marcel (Toliara), TOVONAY Pierralit ( Cnaps), RIJA Rakotonirina J Dally(Toamasina), RAKOTOJAONA Hervé Wilson (Majunga). Irakiraka afovoany : RABEASIMBOLA Tinasoa (Morondava), RAKOTOSON, Anderson(Morondava), ANDRIAMAMPANDRY Toky (F/Dauphin), JEAN ALBERTO (Melaky), SAMPILAHY Stevy (Toamasina). Mpanafika : ENIDIEL Régis (Toamasina), FITANA Romain,( Morondava), RAELISON Jean Yvon (Brickaville), RAZAFINILAINA Angeluc (Majunga), RAZAFIMAHANO Angelo ( Toamasina), RANDRIAMIFIDY Victor Camara (Vatomandry). RAMAROLAHY Solofo kosa no mpanazatra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT