Fifanintsanan’ny CAN 2025

Tsy manan-tsafidy afatsy fandresena ny Barea anio…


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

Fotoana hanarenana ny fahavoazana nanoloana an’i Tonizia ny alakamisy 5 setambra lasa teo ny anio izay

hifanandrinana amin’i Kaomoro eo amin’ny andro faharoan’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 hatao any Maraoka. Tsy manan-tsafidy, fa mila mandresy ny Barea, raha te hanana toky sy herijika ary fanantenana ho tafakatra fanindroany amin’ny dingana famaranan’ny CAN taorian’ny tany Egypte ny taona 2019. Mandresy isika raha ny ara-taratasy satria tamin’ireo lalao 11 farany nataon’ny Ekipa roa toa tonta nanomboka ny 21 aogositra 1990 ka hatramin’ny lalao farany ny 21 jona 2024 lasa teo nandresentsika 2-1 azy ireo tao anatin’ny lalao fifanintsanana hiakarana amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, dia fandresena 10 no azon’i Madagasikara, ary ady sahala iray 1-1 tamin’ny 11 novambra 2017 no hany vokatra tsara indrindra vitan’ny Kaomorianina. Boribory anefa ny baolina, ary tsy misy ekipa azo hamaivanina izany intsony amin’izao, tsy mikaonty ny ara-taratasy fa ny 90 minitra eny ambony kianja no mamaritra izay mpandresy sy resy aorian’ny kiririoka farany. Mila miady ny Barea ary raha tarafina tamin’ny lalao nanoloana an’i Tonizia, dia azo atao ny mamokatra sy mandresy, fa miankina amin’ny fahaiza-mandamina sy mametraka paikady avy amin’ny mpanazatra miampy ny ezaka sy finiavana avy amin’ny mpilalao. Mbola misy ny herijika, fa mila miady mafy amin’ireo lalao manaraka satria nampitombo ny isa azony indray omaly ny Tonizianina satria nivoaka mpandresy 2-1 nanoloana an’i Gambie. Ny tonizianina no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha-11, saingy voasahala telo minitra taoriana, ary tany amin’ny faha-75 minitra vao nahafaty ny baolina nitondra ny fandresena. Ho ady mafy noho izany ny an’ireo telo ambiny dia i Comores, Gambie, ary i Madagasikara. Manana isa 6 izany ry zareo hatreto ary nanamafy ny maha laharana voalohany vonjimaika. Laharahana faharoa ny Kaomorianina manana isa 1 saingy mbola manana lalao iray hifanandrinana amintsika anio. Fahatelo manana isa 1 ihany koa ny Gambianina saingy mijanona eo ny isany satria efa nahavita lalao faharoa, ka any amin’ny andro fahatelo vao afaka manarina. Fahaefatra farany isika izay Malagasy izay mila mandresy an’i Comores anio raha te ho laharana faharoa vonjimaika, ary raha sanatria resy dia miha manalavitra ny herijika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT