Fifanintsanan’ny CAN 2025

Mafy ny miandry ny Barea anio sy amin’ny sabotsy kanefa…


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Miditra amin’ny kihon-dalana farany ny Barean’i Madagasikara anio atsy Afrika Atsimo sy ny sabotsy

izao any Maroc, eo amin’ny andro faha-5 sy faha-6 amin’ny lalao fifanintsanan’ny CAN 2025. Kely ny herijika mba tsy hilazana fa tsy misy intsony, saingy ny ala nenina tsy maintsy hatao amin’ny fiezahana hibata fandresena manoloana an’i Tonizia anio amin’ny 7ora ora Malagasy. Ny Tonizianina izay mitarika vonjimaika ao amin’ny Vondrona A, raha toa ka isika no rambony, izay tsy manana afatsy isa 2. Mila mandresy amin’ireo lalao roa farany, ary miankina amin’ireo lalaon’ny mpiray vondrona ny herijika, izany hoe : tsy miankina amintsika. Mafy ny miandry ny Barea, ary manampy trotraka ny fahabangan’ireo andrin’ny ekipa toa an-dry Louis Démoleon, Couturier,… miampy ny tsy fahafahan’i Sony Laiton mijoro anio noho ny karatra mavo in-droa nisesy tamin’ireo lalao roa farany. Ny Tonizianina ankilany vao avy nanolo mpanazatra satria tsy afapo tamin’ny vokatra azony. I Kaomoro no hifandona farany amintsika, izy ireo izay tsy nandresy antsika mihitsy tamin’ireo lalao 12 farany, raha toa ka efa nandavo ekipa Afrikanina lehibe maro, ka heverina fa fanamby goavana ho azy io. Na izany aza, vonona ry Njiva, El Hadari, Tsirikely, Arnaud,… handavaka an-dry zareo Tonizianina, ka irariana ny hibatana vokatra na henjana aza ny fahasarotana. Tokony handeha amin’ny TVM avokoa ireo lalao roa raha tsy misy ny fiovana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT