Fifanintsanan’ny CAN 2025

Efa nivoaka ireo daty


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Fantatra izao ny daty hanaovana ny fifanintsanana amin'ny CAN 2025.

Marihina moa fa tsy mandray anjara amin'ireo lalao sava-ranonando i Madagasikara noho ny laharana azony. Ny 18 ka hatramin'ny 26 marsa izao no hisy ireo lalao natokana ho an'ireo firenena ratsy laharana.Tsy miandry izany ny Barea fa efa tafiditra ao amin'ny satroka fahatelo. Midika anefa izany fa misy firenena roa mafy be miray vondrona amin'ny Malagasy. Ary raha telo isam-bondrona no tafita hanao CAN dia mety ho afaka ihany ny Barea indrindra fa azo ireo mpilalao heverina ho sangany toa an'i Francis Coquelin izay milalao any amin'ny klioban'ny Villareal ary efa nanirahana an'i Bolida mba hampiditra resaka. Raha mahita lohalahara tsaratsara koa dia tena mety. I Andy Pelmard sisa handrasana hanaiky dia vita ny baolina satria efa fantatra fa mety ho tonga ihany koa i Coudert, ilay mpiandry tsatokazo milalao any Frantsa. Ao Brest raha ny marina ary inoana fa efa tafaresaka tamin'i Roro Rakotondrabe izay nandalo herinandro tany. Mbola misy rahateo ny fotoana hitsapana ireo Rakotovazaha ireo ny volana martsa ka mety Afrika Atsimo no hifandona amin'ny Barea raha ny tsilion-tsofina. Toy izao kosa ireo daty hanaovana ny lalao fifanintsanana rehetra. Andro voalohany sy faharoa : 2 hatramin'ny 10 septambra 2024 Andro fahatelo sy fahaefatra : 7 hatramin'ny 15 oktobra 2024 Andro fahadimy sy fahaenina : 11 hatramin'ny 19 novambra 2024.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT