Fifanintsanan’ny CAN 2025

Ambony ny herijikan’ny Barea


  • Zoma 05 Jolay 2024

vita omaly ny antsapaka mamaritra ny fizaram-bondrona ao anatin’ny fifanintsanan’ny

CAN 2025 hatao any Maroc. Tafiditra ao amin'ny vondrona A miaraka amin'i Tonizia, ny Nosy Komoro, ary i Gambia ny Barean’i Madagasikara. Marihina fa misy vondrona 12 ahitana firenena 4 avy ny fifanintsanana. Ny ekipa roa voalohany isaky ny vondrona amin'ireo vondrona 11 izay tsy misy ny mpampiantrano dia mahazo avy hatrany ny tapakila hiakarana amin’ny dingana famaranan’ny CAN, raha ekipa iray ihany no mahazo izany ao amin’ny Vondrona misy an’i Maroc mpampiantrano satria tafakatra avy hatrany izy. Ho an’i Madagasikara, azo lazaina ho ambony be ny herijika hahatafakarantsika satria i Tonizia izay laharana faha-41 maneran-tany ary faha-6 aty Afrika no heverina fa maozamaozatra, izay izy ireo rahateo no nandraraka antsika teo amin’ny ampahefa-dàlan’ny CAN 2019. Heverina ho azo resena tsara kosa i Comores izay vao resintsika 2-1 iray volana lasa izay, teo amin’ny lalaom-bondrona hiadiana ny tapakilan’ny « Mondial 2028 ». Ara-taratasy dia resintsika izy satria faha-119 eo amin’ny filaharan’ny FIFA ary faha-31 amin’ny CAF, raha toa ka faha-103 kosa ny Barea ary faha-23 amin’ny CAF. Toy izany ihany koa i Gambie izay mitana ny laharana faha-132 maneran-tany ary faha-40 aty Afrika. Raha tsy misy fanovana fandaharam-potoana ataon'ny CAF, ny andro roa voalohany amin'ny dingana vondrona dia hatao eo anelanelan'ny 2 sy 10 septambra 2024, ny andro fahatelo sy fahefatra eo anelanelan'ny 7 sy 15 oktobra 2024, raha toa ka ny 11-19 novambra kosa ny andro roa farany. Hatao any Maroc manomboka ny 21 desambra 2025 ka hatramin'ny 18 janoary 2026 kosa ny dingana famaranana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT