Sport

Fifanintsanan’ny CAN 2023 Miandry lalao isam-bondrona avy hatrany ny Barea


  • Zoma 14 Janoary 2022

Namoaka ny datin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN 2023 ny Kaonfederasionina Afrikanina ho an’ny taranja baolina kitra (CAF) omaly alakamisy 13 janoary 2021.

 Noho ny laharan’ny Barea izay faha-21 aty Afrika, dia tsy isan’ireo firenena manao lalao savaranonando na “tour préliminaire” i Madagasikara, fa tafiditra avy hatrany any amin’ny lalao isam-bondrona, ary izay roa voalohany isam-bondrona moa no tafavoaka handray anjara amin’ny CAN. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa ny 24 voalohany no manao CAN nanomboka teo amin’ny nitondran’I Ahmad CAF raha 16 izany teo aloha. Noho isika tafiditra laharana faharoa no nahatafiditra antsika nanao CAN ny 2019. Ho an’ny lalao savaranonando dia ny 21-29 martsa izao no handeha ny lalao mandroso sy miverina. Ny 1-14 jona kosa no hanatanterahana ny lalao isam-bondrona andro voalohany ka hatramin’ny andro faha efatra. Ny 21 janoary izao no voafaritra fa hanaovana antsapaka momba ny fifanintsanana savaranonando, raha toa ka aorian’ny fahavitan’ny lalao amin’ny volana martsa kosa ny antsapaka mikasika ny lalao isam-bondrona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT