Sport

Fifanintsanan’ny CAN 2023 Hifampitady amin’ny Ghana, Angola, Centrafrique ny Barea


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Fifanintsanan’ny CAN 2023 Hifampitady amin’ny Ghana, Angola, Centrafrique ny Barea

 Araka valin’ny antsapaka nataon’ilay kintan’ny baolina kitra Ivoriainina Salomonn Kalou omaly tatsy Afrika Atsimo, dia i Ghana isan’ireo hiatrika ny Mondial 2022 any Qatar. Tsiahivina na izany aza fa isan’ireo nangoron-damba voalohany ny kintana maintin’i Ghana tamin’ny CAN farany teo tany Cameroun. Ghana, Angola, ary Centrafrique no iray vondroa amin’ny Barean’i Madagasikara ao anatin’ny Vondrona E. Tsy hiandry ela fa eo anelanelan’ny 30 may hatramin’ny 14 jona dia hiaka-tsehatra avy hatrany ny ekipam-pirenena ho an’ny lalao voalohany sy faharoa. Ny volana septambra 2022 kosa ny lalao fahatelo sy fahaefatra, ary ny martsa 2023 kosa ny lalao roa farany. Izay roa voalohany no ho tafita hiatrika ny CAN 2023. Hatreto, mbola manjavozavo ny fiomanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy. Tsy isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanomanana ho an’ny volana martsa teo. Tsy mbola misy mpanazatra rahateo, ka andrasana izay mety ho fanapahan-kevitra ato ho ato, indrindra fa taorian’ny nankatoavan’ny FIFA fa ny Filoha Lefitra voalohan’ny Federasionina (FMF) Atoa Victorien Andrianony no mitantana ny kitra Malagasy. Efa nisy mantsy ny antso tolotr’asa nataon’ireo elatry ny FMF miady amin-dRaoul Arizaka Rabekoto dia ry Alfred Andriamanampisoa ho an’izay te hanazatra ny Barea, ny Tale Teknika Nasionaly (DTN),… Efa nanambara i Nicolas Dupuis mpanazatra ny Barea teo aloha, fa izy no voasafidy ho DTN. Ny olona napetraky ny Filohan’ny FMF anefa no nankatoavin’ny FIFA. Asa hanao ahoana ary izany ny ho avin’ny ekipam-pirenena sy ny baolina kitra eo anatrehan’ny olana mbola tsy tena miravona tanteraka ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT