Sport

Fifanintsanan’ny CAN 2022 Fantatra ireo mpilalao handrafitra ny Barea


  • Zoma 05 Martsa 2021

Nampahafantarina omaly ny lisitr’ireo mpilalao 29 handrafitra ny Barean’i Madagasikara

 

 

 amin'ireo lalao roa farany amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CAN 2022 hihaonana amin’i Ethiopie (24 martsa) sy Niger (30 martsa). Zava-baobao ny fisiana mpilalao eto an-toerana maromaro tamin’ny lisitra navoakan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Mpiandry tsatokazo 4 hatreto no ao anaty lisitra, dia i Melvin ADRIEN (FC Martigues, France), Mathyas RANDRIAMAMY (PSG, France), Ibrahima DABO (JS St-Pierre, LaRéunion), Nina RAZAKANIRINA (Fosa Juniors, Madagascar). Ao amin’ny Vodilaharana kosa ry Pascal RAZAKANANTENAINA (JS St-Pierre, LaRéunion), Jérôme MOMBRIS (Grenoble Foot 38, France), Sylvio OUASSIERO (CS Fola Esch, Belgique), Romain METANIRE (Minnesota United, USA), Jérémy MOREL (FC Lorient, France) izay mety ho afaka milalao indray raha io lisitra io, Théodin RAMANJARY (Fosa Junior, Madagascar), Rajo RAZAFINDRABE (Cosfa, Madagascar), Ando RAKOTONDRAZAKA (Elegeco Plus, Madagascar). Ho an’ny afovoan-kianja kosa ry Anicet ANDRIANANTENAINA (PFC Ludogorets, Bulgarie), Zotsara RANDRIAMBOLOLONA (FC Fleury 91, France), Marco ILAIMAHARITRA (Royal Charleroi SC, Belgique), Rayan RAVELOSON (ESTAC Troyes, France), Ibrahim AMADA (Al Markhiya, Qatar), Dimitri CALOIN (Fleury FC, France), Dax ANDRIAMIRADO (JS St-Pierre, LaRéunion), Loïc LAPOUSSIN (RU Saint-Gilloise, Belgique), Doody Mathieu RAKOTOARISOA (Jet Kintana, Madagascar). Ao anaty lisitry ny mpanafika kosa iNjiva RAKOTOHARIMALALA, Carolus ANDRIAMAHITSINORO (Al Qadisiya FC, Arabie-Saoudite), Alexandre RAMALINGOM (CS Sedan.A, France), Hakim ABDALLAH (FC Swift Hesper, Belgique), Paulin VOAVY (Misr El Makkasa, Egypte), Lalaina NOMENJANAHARY (Paris FC), Lalaina MANAMPISOA (Disciples FC,Madagascar), Tsito RAZAFINDRASATA (Jet Kintana, Madagascar). Tsy isan’ireo mpilalao ao anaty lisitra I Hery Bastien, Thomas Fontaine sy William Gros izay maratra. NANTSOINA MANOKANA I FANEVA IMA Isan’ny nanaitra ny fiantsoana ny Kapitenin’ny Barea teo aloha Faneva Ima, izay naka fisotroan-dronono amin’ny filalaovana ao anatin’ny Ekipam-pirenena. Nantsoina manokana, nanasa an’ity mpilalaon’ny Al Hamriya en Arabie saoudite ity ny Mpanazatra Nicolas Dupuis mba hisian’ny firaisan-kiana ao anatin’ny Barea, ka andrasana ny setriny avy aminy. Nantsoina hanotrona ihany koa i Fontaine sy Gros.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT