Sport

Fifanintsanan’ny CAN 2021 Iray vondrona amin’i Côte d’Ivoire, Niger, Ethiopie ny Barea


  • Zoma 19 Jolay 2019

Vita omaly ny antsapaka momba ny fiadiana ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana izay ho tompon’ny amboaran’i Afrika afaka roa taona indray na ny CAN 2021 raha toa ka hanakatona tanteraka ny

 

 

CAN 2019 ny lalao famaranana eo amin’i Algérie sy Sénégal anio alina. Nozaraina ho vondrona 12 ahitana ekipa 4 avy ireo firenena hifanintsana amina lalao mandroso sy miverina manome lalao 6 avy, ka izay 2 voalohany avy no hiakatra amin’ny dingana famaranan’ny CAN. Ireo ekipa 8 ratsy toerana indrindra, dia mbola hanao lalao savaranonando hiakarana anaty vondrona, dia tsy iza fa i Liberia sy Tchad, Soudan Atsimo sy Seychelles, Maorisy sy Sao-Tomé, Djibouti sy Gambie. Ao anatin’ny Vondrona K kosa no misy an’i Madagasikara, Côte d’Ivoire, Niger, ary Ethiopie. Azo heverina fa ambony ny herijikan’i Madagasikara, raha ny dingana efa vitantsika. Hanomboka ny 11 novambra 2019 hatramin’ny 17 novambra 2020 ny fifanintsanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT