Sport

Fifanintsanana CHAN 2020 Lavon’ny Barea Malagasy 1-0 i Mozambika


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Tany amin’ny fanampin’ora 90’+2 vao nahatafiditra ny baolina tokana nandreseny ny Mambas Mozambikanina ny Barea omaly alahady 28 jolay 2019 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, eo amin’ny lalao mandroso ny dingana faha-2 amin’ny fifanintsanana fahazoana hiatrika ny Chan 2020.

 

 

 I Arnaud n°2 no nahafaty an’io baolina tokana azon’ny Malagasy io ka nampientana indray ny mpitia baolin’i Mahamasina efa gina tanteraka fa saika nionona tamin’ny ady sahala  omaly tamin’io lalao io. Azo lazaina fa tena nifantoka tao an-tsain’ireo mpilalaon’ny Barea Chan ny vesatry ny fahombiazan’ny Barea Can tany Egypte sy ny faharendrehan’ny Barea Lalaon’ny nosy tany Maorisy, hany ka na dia nanindry aza ry zareo tetsy Mahamasina tamin’ny fizaram-potoana voalohany omaly dia tsy nety nahatafiditra baolina fa “tena nisy fikoropahana kely, hoy i Franklin mpanazatra”. Niezaka ny nanova fomba fiady kosa ny Mambas avy any Mozambika teo amin’ny fidirana faha-2 ka lasa ry zareo indray no nanindry mafy. “Tena nampiseho lalao tsara izahay, hoy ny mpanazatra Mozambikanina,  nefa iny ny vokatra tamin’ny farany. Efa hitanay izao ny filalao tsaran’ny Barea, hoy izy, ka tena hangotraka tokoa ny lalao miverina any aminay ary tsy maintsy hibata fandresena izahay amin’izany”. Amin’ny alahady 04 aogositra 2019 io lalao miverina hatao any Maputo Mozambika io. Azon’ny mpilalaon’ny Barea Chan  alaina amin’izay izany izao ny taratasim-bola 5.000.000 Ar  fanindroany nomen’ny kandida Hery Rasoamaromaka azy iro tamin’ny alarobia 25 jolay lasa teo.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT