Sport

Fifanintsanana CHAN 2020 Ambivitra no nandresen’ny Barea an’i Namibie


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Ambivitra dia ambivitra fa efa tany amin’ny minitra faran’ny ora fanampiny (90’+3) vao nahatafiditra baolina tao amin’ny haraton-dry zareo Namibiana ny Barea Malagasy, omaly

 

alahady 22 septambra 2019 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina teo amin’ny lalao mandroson’ny fifanintsanana farany hahazoana miatrika ny fifaninanana CHAN 2020 hotontosaina any Cameroun. Nifandanja ary niady hatramin’ny segondra farany ny lalaon’ny roa tonta satria tsy dia nianona tamin’ny fiarovan-tena ohatra ireny fahita mahazatra amin’ny vahiny milalao an-tanin’olona ireny ry zareo Namibiana fa nampiasa ny rindran-dalao 3-5-2 ka nanafika hatramin’ny farany. Nampiasa kitikitika nahavalalanina toy ny mpilalaontsika koa izy ireo ary tena nanatombo mihitsy aza teo afovoan’ny kianja ka tsy latsaky ny roa  toy ny antsika koa ny baolina nampidirin-dry zareo saingy isika no nanam-bintana nahatafiditra ny 1, tamin’ny alalan’i Besna,  teo amin’io fe-potoana 90+3 io. Manana mpanafika maro mavitrika ny Barea saingy tsy ampy ny fandrindrana ny fampiarahana mialalao ho azy ireo. Tara loatra ny fanoloana mpilalao fa efa tany amin’ny minitra faha-73 vao nampidirina i Besna n°20 efa zatra miaraka tsara amin’i Jean Yves ary efa tany amin’ny minitra faha-79 aza vao nampidirina i Rojo n°3 sy Lôlody n°30 nefa efa elaela ihany no tsy nety nirindra ny fampidiram-baolin’ireo tompon-toerana. Na izany aza, manana erijiky hivoaka amin’ity fifanintsanana ity ny Barea raha vao mahatafiditra baolina any Windhoek  amin’ny lalao miverina, afaka 1 volana katroka (18 oktobra 2019).

 

Ntsoavina Evariste      

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT