Sport

Fifanintsanana CAN 2021 Tsara toerana i Madagasikara


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Nahazo isa 3 sahady ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny fifanintsanam-bondrona CAN 2021, andro voalohany, rehefa nandresy ny Walya Etiopianina tamin’ny 1-0 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina tamin’ny sabotsy 16 novambra 2019.

 

 

 

Baolina matin-dRaveloson Rayan teo amin’ny minitra faha-20 no niantoka an’io fandresen’ny Barea io. Tsy misy resaka maro azo tenenina afa-tsy ny hoe : nahavita ny adidiny ny Barea na nahazo fandresena ary tsara toerana ao amin’ny vondrona misy azy. Somary nitsitsy aina izany ireo mpilalao Malagasy raha vao nahatafiditra an’io baolina io satria rahampitso talata 19 novambra 2019 dia efa hihaona amin’ny Niger any Niger indray ry zareo. Omaly vao nangiran-dratsy dia efa nanainga hamonjy an’io firenena io ny andiany voalohany amin’ny mpilalaon’ny Barea ary omaly tolakandro kosa ny andiany faharoa. I Romain Metanir vodilaharana havia Malagasy kosa no azo lazaina fa “Homme du match” tamin’iny lalao tamin' ny sabotsy iny.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT