Sport

Fifanintsanana CAN 2019 Vonona handavo ny Nzalang Nacional ny Barea anio


  • Sabotsy 13 Oktobra 2018

Vonona tanteraka ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara “au complet” hiatrika sy handavo ny ekipam-pirenena Gineana « Nzalang Nacional » ao

 

 

 

amin’ny kianja Estadio de Bata any Malabo renivohitr’i Guinée Equatoriale,  eo amin’ny andro faha-3 amin’ny fifanintsanana hahazoana miatrika ny CAN 2019, anio sabotsy 13 oktobra 2018 amin’ny 6ora hariva (ora Malagasy). Mila mandresy izy ireo mba ho azo antoka tsara ny fandehanana any Cameroun amin’ny 2019. Marihana fa tamin’ny talata 9 oktobra teo no nampomban’ny filohan’ny FMF, Doda Andriamiasasoa, tso-dranon-draiamandreny hahaleo hahalasa ka hahazo vokatra tsara amin’ity lalao hifanandrinan’izy ireo amin’ny Guinée Equatoriale anio ity ireo mpilalaon’ny Barea avy aty an-tanindrazana nandeha namonjy ireo namany mpila ravinahitra efa tany Malabo.

Fa toy izao kosa ireo voka-dalao andro voalohany amin’ny Tournoi National U 16 zatovovavy : Asot Alfa 4 - 1 Fc Prescoi  Vakinà   ;  Sos Village d’enfants A/nanana  0 - 3   Fc Manampisoa Boeny  :  Maitso volo H/M 5 – 0  As3a A/M ;  As Jaf  A/Atsinanana 0 – 5 Ac Sab Nam Alfa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT