Fifaninanan’ny Ligue 2

Resy in-droa nisesy ny AJ Auxerre misy an’i Rayan


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

eo amin’ny Ligue 2 ho an’ny baolina kitra any Frantsa. Resy in-droa nisesy mantsy ny Auxerrois tao anatin’ny andro faha-32 sy faha-33 satria taorian’ny fiondrehana 3-4 nanoloana ny Stade Lavallois, dia niondrika 2-0 ihany koa izy ireo ny alahady lasa teo nanoloana an’i Rodez. Vokany, na mbola mitazona ny laharana voalohany vonjimaika aza ny AJ Auxerre, dia nijanona eo amin’ny « 61 points » ka isa 3 sisa no manelanelana azy amin’ny Angers SCO laharana faharoa izay manana isa 58, vao avy nandresy an’i Troyes 2-1 ny sabotsy teo. Mikasika an’i Rayan Raveloson, dia tompon-toerana hatrany izy, ary nilalao feno nandritra ny lalao farany teo. Anisan’ireo mpilalao 3 tsara naoty indrindra ao anatin’ny klioba tao anatin’ny lalao, araka ny naotin’ny Sofascore. Tao anatin’ny taom-pilalaovana kosa dia lalao 29 no nataony amin’ny maha tompon-toerana, nahafaty baolina 3 ary nahavita tolotra tsara nitondra tany amin’ny fahafatesana baolina 3. In-telo ihany koa izy no tafiditra tao anatin’ny “equipe type” mivoaka isan-kerinandro ho an’ny Ligue 2.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT