Sport

Fifaninanan’ny Ligue 1 sy Ligue 2 Frantsay Nandresy ry Morel sy Fontaine, Bolida, Rayan


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Nandresy 1-0 nanoloana ny FC Pau ny Paris FC ilalaovan’i Nomenjanahary Lalaina na Bolida ny sabotsy teo, nandritra ny andro fahafito iadiana ny tompondakan’ny Ligue 2 any Frantsa.

 

 Mpisolo toerana i Bolida, izay teo amin’ny minitra faha-65 no niditra an-tsehatra, ka ny 93% tamin’ny tolotra nataony nandritra ny 25 minitra nilalaovany, dia nahomby avokoa. Mitazona hatrany ny laharana voalohany vonjimaika ny Paris FC amin’izao fotoana izao. Mbola ao anatin’ny Ligue 2 hatrany dia nandresy 1-0 ihany koa ny Troyes misy an’i Rayan Raveloson nanoloana ny Rodez. Nilalao hatramin’ny farany i Rayan tamin’io, ary ny toeran’ny irakiraka afoavoany amin’ny sisiny havia no nametrahan’ny mpanazatra azy. Laharana faha-4, ary latsaka isa 3 manoloana an-dry Bolida ry Rayan amin’izao fotoana izao. Ho an’ny Ligue 1 kosa, dia nahazo ny fandresena voalohany tao anatin’ny lalao 5 ho azy ihany koa ry Jeremy Morel sy Thomas Fontaine, izay nandavo an’i Nimes 3-1 teo amin’ny andro faha-7. Tompon-toerana sy kapiteny i Morel tamin’io, raha toa ka mpiandry toerana sy tsy nilalao mihitsy kosa i Fontaine. Samy niatrika ny fampivondronana ny Barea farany teo ry zalahy voatanisa ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT