Sport

Fifaninanana nasionaly ASIEF 2018 Vonona amin’ny fandraisana ny hetsika i Toamasina


  • Zoma 27 Jolay 2018

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires),

Atoa John Love, tao amin’ny fivoriana fanaon’izy ireo isan-kerinandro etsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny alarobia 25 jolay 2018,  fa taorian’ny fitsidihana ny zava-misy nivantana nataony niaraka tamin’ny delegasiona notarihany tany an-toerana tamin’iny herinandro lasa iny dia efa vonona tanteraka i Toamasina amin’ny handraisana ny fifaninanana nasionalin’ny ASIEF 2018 hotanterahina amin’ny 26 septambra ka hatramin’ny 7 oktobra 2018 ho avy izao. Mbola hisy ny fanatsarana tsy maintsy hatao amin’ny kianja filalaovana sasantsasany sy ny famitana ny fifanarahana amin’ny handraisana  “hebergement” an’ireo mpiasam-panjakana miisa 7000 avy amin’ny Faritra 22 ho avy any Toamasina. Midika izany, hoy ny filoha John Love fa tsy maintsy vita amin’ny 15 septambra 2018 ny fifaninanana rehetra isam-paritra. Ho hentitra ny fanaraha-maso an’ireo mbola mampiakatra kianja an’ireo mpilalao “licenciés”, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT