Sport

Fifaninanana nasionaly ASIEF 2018 Vonona amin’ny fandraisana ny hetsika i Toamasina


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires),

 

 Atoa John Love, tao amin’ny fivoriana fanaon’izy ireo isan-kerinandro etsy amin’ny ANS Ampefiloha, omaly alarobia 25 jolay 2018,  fa taorian’ny fitsidihana ny zava-misy nivantana nataony niaraka tamin’ny delegasiona notarihany tany an-toerana tamin’iny herinandro lasa iny dia efa vonona tanteraka i Toamasina amin’ny handraisana ny fifaninanana nasionalin’ny ASIEF 2018 hotanterahina amin’ny 26 septambra ka hatramin’ny 7 oktobra 2018 ho avy izao. Mbola hisy ny fanatsarana tsy maintsy hatao amin’ny kianja filalaovana sasantsasany sy ny famitana ny fifanarahana amin’ny handraisana  “hebergement” an’ireo delegasiona avy amin’ny Faritra 22 ho avy any Toamasina. Midika izany, hoy ny filoha Jhon Love fa tsy maintsy vita amin’ny 15 septambra 2018 ny fifaninanana rehetra isam-paritra. Ho hentitra ny fanaraha-maso an’ireo mbola mampiakatra kianja an’ireo mpilalao “licenciés”, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT