Sport

Fifaninanana momba ny fiahiana sosialy Laharana faharoa taty Afrika ny Malagasy


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Ny volana novambra 2021 dia nisy ny fifaninanana tohan-kevitra izay nokarakarain’ny rafitra afrikanina “Conférence interafricaine de la prévoyance sociale » na CIPRES ho an’ny firenena mpikambana ao aminy.

Ny lohahevitra fototra dia niompana amin’ny hoe “Prix CIPRES, pour la promotion de la sécurité sociale au sein des Etats membres”. Tanjona ny hanomezana fankasitrahana izay tohan-kevitra tsara indrindra amin’ny fampivoarana sy fanomezana vahaolana vaovao amin’ny olana ara-tsosialy ao amin’ny faritry ny CIPRES, hoy ny fampitam-baovao voaray. Fepetra maro no napetraka ho an’ireo izay nandray anjara toy ny fifaninanana misokatra ho an’ny mpianatra eo amin’ny faha 5 taona amin’ny fianarana ambony. Fara fametrahana ny fifaninanana ny 31 oktobra 2022. Maro tamin’ireo firenena miisa 17 mpikambana ao amin’ny CIPRES ihany koa no nanana solontena tamin’ny fifaninanana ka anisan’izany i Madagasikara, tamin’ny alalan’i ramatoa Ravalison Lira Mejatiana, izay avy amin’ny fianakaviam-be CNaPS Madagasikara, no nibata ny amboara teo amin’ny laharana faharoa. Andriamatoa Samalia Djibrina, avy ao Niger, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny tohan-kevitra hoe “Ahoana ny fomba hanatsarana ny fitakiana ny latsakemboka amin’ny fomba tsotra sy an-tery eo anivon’ny tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy any Niger?” izay notoloran’ny CIPRES 5.000.000 FCFA. Ramatoa Lira Mejatiana Ravalison, avy eto Madagasikara, no faharoa, nahazo 2.500.000 FCFA, nitondra ny lohahevitra hoe “Ny psikolojian’ireo mpikambana manoloana ny fiahiana ara-tsosialy”. Fahatelo, andriamatoa Koumantega Koussalima, avy ao Togo, nitondra ny lohahevitra hoe « Ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa manoloana ny fitovian-jo », nahazo 1.000.000 FCFA, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nisy moa omaly ny lanonana fanomezana mari-pankasitraha manokana ny solontena malagasy tetsy amin’ny CNaPS Ampefiloha omaly, izay notronin’ny minisitry ny asa sy fampananan’asa Rivotiana Richard Jean Bosco.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT