Sport

Fifaninanana iraisampirenena Ny Fosa Juniors sy Cnaps sport no solontenantsika


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Namoaka tetiandro vaovao mikasika ny fifaninanana iraisampirenena eo amin’ny taranja baolina kitra ho an’ireo klioba ny avy eo anivon’ny kaonfederasionina afrikanina. Efa nanomboka omaly moa ny fametrahana ny fifanarahana hanatontosana azy io ary hifarana ny 20 oktobra izao ka hiantsoan’ny CAF ireo federasionina isam-pirenena, mazava ho azy.

 

 

 

 Ny 20 novambra kosa no hanomboka ireo fifaninanana na ho an’ny “ligue des champions” io na ho an’ny amboaran’ny CAF. Ho an’ireo firenena izay mbola tsy namarana ny taom-pilalaovany moa dia ireo ekipa tompondaka nandritry ny taom-pilalaovana teo aloha no hisolo tena azy ireny any amin’ireo fifaninanana iraisampirenena. Ho antsika eto Madagasikara izany dia ny Fosa Junior sy ny Cnaps sport izay tompondaka sy mpandresy tamin’ireo fifaninanam-pirenena nisy ny taona 2019 no hisolo tena antsika amin’ireo fifaninanana iraisampirenena afrikanina miisa 2 voalaza teo.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT