Fifaninanana hazakazaka «Aina no fetra»

Mitohy hatramin’ny 16 martsa ny fisoratana anarana


  • Zoma 08 Martsa 2024

Hiditra amin’ny andiany faharoa ankehitriny ny fifaninanana hazakazaka «Aina no fetra».

Izy ity, raha ny fanazavana tetsy amin’ny Redzone Avaratr’Antanimora omaly dia hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny sampana Mpanazava sy Tily na SAMPATI ao amin’ny FJKM Analamahitsy. Eo amin’ny CEMEAM Ankadikely Ilafy kosa ny fiaingana sy fiverenana amin’ity taona ity. Ny 23 martsa izao no hanatanterahana azy io. 500 isa kosa ireo mpiazakazaka tiana handray anjara raha toa 244 izany tamin’ny taon-dasa. Mitohy hatramin’ny 16 martsa, noho izany, ny fisoratana anarana raha toa ka tokony hifarana rahampitso 9 martsa. Azo hanaovana izany ao amin’ny kioska Ortana Antaninarenina sy eny amin’ny FJKM Analamahitsy ary ny tranokalam-pifandraisan’ny roa tonta ihany koa. 50.000 Ariary ny fisoratana anarana ho an’ireo izay handray anjara amin’ny halavirana 35km ary 25.000 Ariary ho an’ireo hanao 12km. Ny antony dia mba hahafahana miantoka amin’ny antsakany sy andavan’ny filan’ireo mpifaninana rehetra. Mahatratra 1200m eo ny fitambaran’ny fiakarana amin’ilay halavirana 35km ka noferana ho ireo efa atleta mpanao fanatanjahantena ihany, araka izany, no mandray anjara amin’izy ary manomboka eo amin’ny 16 taona, raha toa ka tsy mifidy na ankizy na lehibe na lahy na vavy kosa ny 12km. Malaza be izao ny taranja «trail» noho izy natao ho an’ny olona rehetra, eny, na ireo tsy manana «Licence» na mari-pahaizana manokana momba izany aza. Samy mahazo medaly avokoa izay tonga any amin’ny farany. Misy rano, tsindrin-tsakafo, sakafo atoandro, fitsaboana ho an’ireo sanatria maratra ary «massage kine» na otra fanalana havizanana ho an’ireo tonga any amin’ny famaranana. Fitaizam-batana hahazoana fahasalamana no tena tanjona ao anatin’izany. Mbola handray anjara amin’ity andiany faharoa ity ny nahazo ny amboara tamin’ny taon-dasa. Ireo mpihazakazaka malagasy kosa no tena hirariana ho tonga maro. Marihina anefa fa mpandray anjara avy amina firenena miisa 8 no nandray anjara tamin’ny andiany voalohany. Amin’ny ankapobeny dia miainga eo amin’ny CEMEAM, mandalo rovan’Ilafy, Rangaina, Tranom-bitsika ny lalana diavina amin’ity fifaninanana ity, hoy hatrany ny fanazavana. Mpanohana ofisialy ny hetsika moa ny Onet group international, izay ahitana ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT