Sport

Fifaninanana fanatanjahantena an-tsarimiaina Ny 15 sy 16 desambra izao no fotoana


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Etsy amin’ny American center Tanjombato izany no fotoana ny 15 sy 16 desambra izao ao anatin’ilay fifaninanana fanatanjahantena an-tsarimiaina na irony antsoina hoe e-sport irony izay nampitondraina ny lohateny hoe Video games showdowns.

 

 Araka ny fanazavan’ny orinasa Telma izay mpanohana ny hetsika dia fotoana iray koa hialana voly mialoha izao noely izao satria tena ambohi-pihaonan’izay karazan-dalao virtoaly izay. Ho raikitra amin’io daholo ireo fampisehoana mifanandrify amin’izany toy ny PS4, Nitendo Switch, Wii ary ny Nes classic. Ankoatr’izay natokana ho an’ny tanora sy efa zokinjokiny dia nanana tahala manokana mihitsy koa, hoy izy ireo, ny ankizy na “espace enfant” mba hanandramany sahady izany milalao PS4 Pro sy Caméra VR izany. Isaky ny tapak’andro moa dia hifaninanana ny lalao Tekken 7 sy FIFA 19 amin’io PS4 Pro io ary maro ireo loka mety ho azo amin’izany. Efa azo atao ny misoratra anarana amin’ny pejy fesibokin’ity ivontoerana hifaninana ity manomboka izao na koa amin’ny andron’ny fifaninanana raha ny voambara hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Lamba
  • Zoma 27 Novambra 2026

maloton'ny FMF

  • Tsipy
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

kanetibe

  • Taranja
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Tsipy Kanetibe

  • Coupe du
  • Talata 24 Novambra 2026

monde de pétanque

  • Rayan Raveloson
  • Talata 24 Novambra 2026

Nangidy ny herinandro

  • Filazàna fa
  • Zoma 20 Novambra 2026

mandeha ny fitantanana ny kitra malagasy

Hijery ny tohiny
FTT