Sport

Fifaninanana fanatanjahantena an-tsarimiaina Ny 15 sy 16 desambra izao no fotoana


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Etsy amin’ny American center Tanjombato izany no fotoana ny 15 sy 16 desambra izao ao anatin’ilay fifaninanana fanatanjahantena an-tsarimiaina na irony antsoina hoe e-sport irony izay nampitondraina ny lohateny hoe Video games showdowns.

 

 

 Araka ny fanazavan’ny orinasa Telma izay mpanohana ny hetsika omaly dia fotoana iray koa hialana voly mialoha izao noely izao satria tena ambohi-pihaonan’izay karazan-dalao virtoaly izay. Ho raikitra amin’io daholo ireo fampisehoana mifanandrify amin’izany toy ny PS4, Nitendo Switch, Wii ary ny Nes classic. Ankoatr’izay natokana ho an’ny tanora sy efa zokinjokiny dia nanana tahala manokana mihitsy koa, hoy izy ireo, ny ankizy na “espace enfant” mba hanandramany sahady izany milalao PS4 Pro sy Caméra VR izany. Isaky ny tapak’andro moa dia hifaninanana ny lalao Tekken 7 sy FIFA 19 amin’io PS4 Pro io ary maro ireo loka mety ho azo amin’izany. Efa azo atao ny misoratra anarana amin’ny pejy fesibokin’ity ivontoerana hifaninana ity manomboka izao na koa amin’ny andron’ny fifaninanana raha ny voambara hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT