Sport

Fifaninanana ASOIMI Hentitra ny sivana hitiliana ireo mersenera


  • Talata 02 Jona 2015

Tahaka ireo faritra hafa teto Madagasikara, dia nosokafana ofisialy tao amin’ny Gymnase CRJS ny hetsika fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ireo mpiasam-panjakana (ASOIMI) tao anatin’ny faritra Atsinanana.

 Nitarika izany ny filoham-paritra Rabarivelo Laurent, notronin’ny filoha lefitry ny ASOIMI nasionaly sy ireo tompon’andraikitra tao an-toerana. Mifanandrify indrindra amin’ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny ASOIMI izao taona izao, raha toa ka efa telo taona izay no nandraisan’ny faritra Atsinanana anjara. Hentitra ny fepetra raisina manoloana ny fanafoanana ny “mercenariat” amin’ireo mpilalalo amin’ity taom-pilalaovana ity, izany hoe ireo mpiasam-panjakana ihany no tokony handray anjara amin’ny lalao rehetra. Efa mipetrapetraka moa ny fomba hanamarinana izany eny anivon’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa miara-miasa. Ho an’ny faritra Atsinanana manokana, dia efa naneho ny fahavononany hiatrika ny nasionaly any Manakara amin’ity taona ity ireo mpilalao.

Fanja Toamasina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT