Sport

Fifaninanana Asief nasionaly Mpiasam-panjakana 9000 no tonga any Toamasina


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Na dia efa nanomboka tamin'ny alakamisy 27 septambra teo aza ny fifaninanana sasantsasany amin'ny hetsika fitaizam-batana ho an'ny mpiasam-panjakana Malagasy Asief "'

 Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires" tontosaina any Toamasina renivohitry ny Faritra Atsinanana 26 septambra - 07 oktobra 2018 dia tamin'ny andron'ny sabotsy 29 septambra maraina teo nanoloana  ny biraon'ny Faritra ao Toamasina no nanokatra azy tamin'ny fomba ofisialy ka ny minisitra Beboarimisa Ralava notronin'ny minisitra 2 ao amin'ny govenemanta ankehitriny sy loholon'i Madagasikara 2 ihany koa no nisolotena ny fitondram-panjakana tarihan'Atoa Rivo Rakotovao sy ny praiminisitra Ntsay Christian. Ambohipihaonan'ireo mpiasam-panjakana mitaiza vatana amin'ny alalan'ny fanaovana fanatanjahantena i Tomasinsa mandritra ny 10 andro fa raha 8000 no nandrasan'ny mpitantana ny Asief dia nahatratra 9000 irao mpiasam-panjakana manerana ny nosy tonga any Toamasina ankehitriny. Samy nidera ny fanomanana sy fandraisana nomanin'ny Asief tarihan'ny filohanhy Botosera Jhon Love avokoa ireo nandaha-teny rehetra tamin'ity

lanonam-panokafana ity (Solontenan'ny ben'ny tanànan'i Toamasina, Prefen'Antsinanana, Tale iray ao amin'ny banky BNI, ny mnisitry ny asam-panjakana ankehitriny sy ny ministry ny Fitaterana sy famantarana ny toetrandro) ary samy nirary ihany koa fahombiazana hatramin'ny farany ho an'ity hetsika ity. "Tsy ho fanatanjahantena fotsiny ihany anie, hoy ny feo heno taty Toamasina no ho hita ao anatin'izao hetsika Asief izao fa ho fientanan'ny firenena manontolo mihitsy.Nanomboka tamin'ny 5 martsa 2018 teo no nandraisanay ny fitantanana an'ity Asief ity, hoy Atoa Jhon Love  ka ny tena tanjona dia ny fampidinana ny tahan'ny mpiasam-panjakana maty aloha loatra sy ny aretina maro samihafa hamely azy ireo mafy amin'ny famporisihana azy hanao fampiasam-batana any amin'ny ministera ka ho hangatahana ny hanomezana azy ireo tapakandro isan-kerinandro hanaovana izany. Efa resy ankehitriny ny resaka "mercenariat" fahita hatrizay tamin'ity lalao itony, hoy ity filohan'ny Asief nasionaly ity. Ny mpiasam-panjakana no tompon'ny lakilem-pampandrosoana eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny minisitry ny asam-panjakana  MFPRATELS, Ramaholimasy Holder, fa mahatratra 170.000 ny isan'izy ireo ankehitriny eto amin'ny nosy. Marihana fa taranja 13 no hifaninana amin'ity Asief ity ka eo andalam-panatanterahana fifanintsanana avokoa izy rehetra ireo ankehitriny fa ny taranja tsipy kanetibe no efa nahavita ny fifaniinana ho an'olon-droa miaraka tamin'ny zoma teo. Ny kianja monisipalin'ny Toamasina sy ny kianaj Cirjs ao Toamasina amin'ny ankapobeny no saika mandray an'ireo fifaninanana rehetra. Marihana fa nialohan'ity lanonam-panokafana ity dia nisy ny filaram-be natao nianga teny amin'n yHopitaly Be hatreny amin'ny Faritany ary nisy koa ny Gymnasique nataon'ny rehetra nanoloana ny sehatra.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT