Sport

Fifaninanana ASIEF nasionaly any Antsiranana Nahazo tsodrano tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Nahazo tsodrano tamin’ny anaran’ny governemanta tarihany sy tamin’ny anaran’ny tenany manokana ny tompon’andraikitra mitantana sy mikarakara ny ASIEF na “Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires” notarihan’ny filohany, Botosera John Love,

 

 raha nihaona sy nitafatafa tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo tamin’ny  alakamisy 03 oktobra maraina teo amin’izao ankatoky ny hiaingan’izy ireo handeha hamonjy an’Antsiranana izao izay toerana hanatanterahana ny fiadiana ny tompondakam-pirenena amin’ireo taranja fanatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana (Ny 07 ka hatramin’ny 20 oktobra 2019 ho avy izao). Nifampiresahana tamin’izany ny amin’ny hahazoan’ny governemanta mitondra ny anjara birikiny amin’ny hoenti-manatanteraka ity fihaonana ara-panatanjahantena ity ka nojerena indrindra ny amin’ny tetibola tokony  hanampian’ireo minisitera tsirairay avy an’ity hetsika ity mba hisian’ny fitoviam-pijery sy fitovian-jo eo amin’ny samy mpiasam-panjakana handray anjara amin’ny fifaninanana ka tsy  hisy ny fametrahana mpiara-miasa na mpiasam-panjakana ho ambony kokoa noho ny rehetra. Izay no manamarina ny fiombonana, hoy ny praiminisitra. Notsiahiviny fa efa ela no nisy ity fihaonana ara-panatanjahantena ity ary nekena ny hitohizany, saingy aorian’ny fotoan’ny fifanintsanana dia tokony hisy ny fivoriana hanatsarana sy handrindrana ny fanatanterahana ny tanjona nametrahana ny « ASIEF ».

Ntsoavina Evariste

Filaharana ASIEF tetsy Anosy (Tahirin-tsary)

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT