Fifaninanan'ny Mondial 2026

Nandresy 2-1 an'i Comores ny Barea


  • Alakamisy 09 Oktobra 2025

Nivoaka nandresy 2-1 ny Cœlacanthes

Kaomorianina ny Barean'i Madagasikara omaly teo amin'ny andro faha-9 amin'ny fifaninanan'ny Mondial 2026. Vao 11 minitra monja dia matin'i Clément Couturier ny baolina, tolotra avy amin'i El Hadary. Tany amin'ny minitra faha-73 kosa ny baolina faharoa, tamin'ny alalan'ny "coup de tête" tsara dia tsara nataon'i El Hadary tamin'ny alalan'ny baolina nalatsak'i Rado avy any amin'ny sisiny havanan'ny kianja. Teo amin'ny minitra faha-80 kosa no nampihena ny elanelan'isa ny Kaomorianina tamin'ny alalan'i Rafiki Said. Anisan'ny mpilalalao namiratra hatrany ho antsika i El Hadary tamin'ireo lalao roa farany. Zava-dehibe ny fandresena, ary karazan'ny namaly ady isika satria resin'i Comores tao anatin'ny fifanintsanan'ny CAN, resiny tamin'ny lalao mandrosn'ity fifanintsanan'ny Mondial ity,... Na nandresy aza, betsaka ihany koa ny lesoka mila harenina. Mipetraka hatrany eo amin'ny laharana faharoa manana isa 19 hatreto, raha manana 22 kosa i Ghana izay nanamontsana 5-0 an'i Centrafrique omaly. Naman'ny tafita amin'ny Mondial izy ireo, na resin’i Comores amin’ny lalao farany aza ka mandresy an'i Mali isika dia manatombo betsaka amin'ny baolina maty ry zareo. Anatin'ny ekipa laharana faharoa tsara indrindra kosa isika, Gabon irery no manana isa 19 toa antsika hatry ny omaly. Ny 4 tsara indrindra no hanao fifanintsanana, ary izay tafavoaka eo no hiady ny tapakila amin'ny alalan'ny fifantsanana kaontinantaly hisy ekipa 6 eo. Na ho any na tsy ho any, mila mandresy an'i Mali any Bamako amin'ny alahady 12 oktobra izao. Egypte, Tunisie, Maroc, ary Ghana no tafita hatreto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT